- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbanitsena : Ramatoa saika hividy vilany lafo vidy, notafihan’ireo niaraka taminy

Ambanitsena : Ramatoa saika hividy vilany lafo vidy, notafihan’ireo niaraka taminy

Somary nangingina tato ho ato izay ilay resaka bizina vy lafo vidy, ny vilany, lakolosy, vola, sns. Na izany aza anefa , dia mbola misy ihany ny olona sahy miroboka amin’ireny. Ary mazàna dia saika mifanehitra amin’ny olon-dratsy foana. Toy ity nitranga teny Ambanitsena tamin’ny voalohandohan’ny herinandro lasa teo. Ramatoa iray saika handeha hividy vilany lafo vidy, any amin’iny faritra Manjakandriana iny,  no nivadihan’ireo olona niaraka taminy. Efa voambana tamin’ny basy izy, saingy soa ihany fa mbola teo ireo fokonolona nanampy azy tamin’izany ka dia nandamoka ilay fanafihana. Raha ny zava-nitranga : efa-dahy izay nilaza fa nahita ilay entana sarobidy no niaraka tamin’ity ramatoa ity, ho any amin’ilay toerana. Nony tonga teo Ambanitsena anefa izy ireo, dia nilaza ny handeha hisakafo ny telolahy, raha nijanona tao anaty fiara kosa ny iray niaraka tain’ilay ramatoa. Tampoka teo anefa, niverina ny iray tamin’ireo nandeha nisakafo ary avy hatrany dia nanapoaka basy teo amin’ilay ramatoa. Nanakoako ny feom-basy ary nanaitra ireo mponina teo an-toerana. Tsy nihambahamba fa, avy hatrany dia namonjy ity voatafika ireo fokonolona. Vao nahita izany fiovan-javatra izany ireo olon-dratsy dia rafitra nanao tari-dositra saingy nanenjika ireo fokonolona. Voasambotra ny iray tamin’ireo olon-dratsy, ilay tavela tao anaty fiara. Saingy namaly ity farany ary dia niantefan’ny hatezeren’ny fokonolona teo. Tamin’ny alàlan’ity tovolahy tratra ity no nahafahana indray nisambotra ireo namany roa hafa izay tafaporitsaka. Ilay iray nitondra basy hatreto no mbola tsy hita ary efa mandeha ny fikarohana azy io, izay sahanin’ny zandary avy ao amin’ny borigady Antananarivo Renivohitra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici