Fiara iray handeha hiakatra aty Andrenivohitra indray no lasibatry ny asan-jiolahy, ny marain’ny alarobia lasa teo, teny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Volabe mitentina 600 tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany, araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandarimariam-pirenena. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any no nisehoan’ity trangam-panafihana ity, teo anelanelan’i Manerinerina sy Ankazobe. Avy any Antsohihy ity fiara ity ary handeha hiakatra ho aty Antananarivo. Raha ny fandinihana ny zava-nitranga dia mety ho efa narahina hatrany ity fiara ity, fa niandry kendry tohina fotsiny ireo olon-dratsy, hamelezana azy. Nony tonga teo amin’io toerana voalaza tetsy ambony io mantsy, dia nosongonana fiara tsy mataho-dalana marika « Toyota Land Cruiser » fotsifotsy roa ilay fiara. Nosakanana tsy handeha nony avy teo. Tsy nisy laharana ireto fiara roa ireto, ary tsy fantatra mazava ihany koa ny isan’ireo olon-dratsy nanafika. Ny vola avy hatrany no notakian’ireto olon-dratsy, izay toa efa fantatr’izy ireo avy hatrany fa nitondra izany volabe izany ilay fiara. Efa maty paika tanteraka ny teti-dratsin’ireo olon-dratsy araka izany, satria toa fantatr’izy ireo fa nisy ny fepetra vaovao noraisin’ny teo anivon’ny fari-piadidian’ny zandary eto Antananarivo ny mahakasika ny fanalàna ireo zandary manao « PR ». Nalalaka araka izany ny fitsoahan’ireto jiolahy, nihazo ny lalana makaty Andrenivohitra. Taorian’izay vao afaka nampandre ny zandary tany an-toerana izy ireo. Nandray ny andraikitra tandrify azy avy hatrany ireto zandary ireto, tamin’ny alalan’ny fametrahana sakana teny an-dalana. Nampilazana mahakasika ity tranga ity ihany koa ireo zandary tompom-paritra aty Andrenivohitra. Na dia teo aza izany sakana sy fisavana izany, dia toa tsy hita tany nanjavonana ireo olon-dratsy. Mbola mitohy hatreto moa ny fikarohana ireto mpanakan-dàlana ireto.
m.L