- Publicité -
jeudi, décembre 25, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Manafika amin’ny ora fivaran’ny mpiasa sy mpianatra ny jiolahy

Moramanga : Manafika amin’ny ora fivaran’ny mpiasa sy mpianatra ny jiolahy

Vola lafo ny tontolo andro, mitentina 800000 ar niampy ireo vola madinika no indray noraofin’ireo olon-dratsy niditra an-keriny tao am-pivarotana no sady nalain’izy ireo avokoa ny ankamaroan’ireo kojakoja nilainy. Tokony ho tamin’ny 5 ora sy 45 minitra hariva no niseho ity asa fanafihana ity tao amin’ny tsena fivarotana manamorona ny lalam-pirenena faha-44 ato anatin’ny kaominina ambonivohitr’i Moramanga. Izay olona sendra azy ireo, dia norahonany tamin’ny basy sy antsy avokoa ary noteren’izy ireo hanome ny finday teny aminy. Dimy lahy ireo mpanafika ary tsy misaron-tava. Nasain’izy ireo niankohoka tamin’ny tany avokoa ireo mpivarotra tamin’ny fotoana nangoronan’izy ireo izay nilainy. Tetsy ankilany, tonga ara-potoana ny komitim-pokontany fa nenjehin’ny sasany tamin’ny basy ka tsy afa-manoatra. Nisesy ny fanafihana tao anatin’ity fokontany ity raha fanindroany izao fanafihana mitam-piadiana izao, tato anatin’ny iray volana.Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay zazakely teny an-tratran’ny reniny voatosik’ireo olon-dratsy mpanafika nandritra ny fandosirany avy nanafika.

Cathy

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici