Isan’ny nahatonga ny fahatezeran’ny arsevekan’i Toamasina, Mgr Tsarahazana Désiré, ny fisian’ireo trangana vono olona teto Toamasina ny herinandro nivalona iny, koa isan’izany ilay tranga famonoana olona niseho tamina tovovavy vao 14 taona nitranga tao Tsarahonenana Toamasina Suburain, ny 11 jona tamin’ny 2 ora tolakandro tany ho any. Fantatra anefa izao fa voasambotry ny fokonolona tao amin’ity fokontany ity ihany ilay rangahy nahavanona ity famonoana zazavavy kely sy mbola nandoro azy tao an-tranon’ny ray aman-dreniny ity tamin’izay. Ny fanazavana azo ihany no nahalalana fa rangahy iray fefy amin’izy ireo ihany no nahavanona izany, satria efa ela notsiriritiny ity zazavavy kely vao 14 taona ity, ka nohararaotiny ny tsy nahatao an-dreniny tamin’io amin’ny 2 ora ny 11 jona io, nanadalany azy. Teo no niteraka fanolanana ary izao niafara tamin’ny famonoana azy ho faty sy nandorana azy tao an-trano izao. Nandritra ny zava-nitranga anefa, nisy nahita ity rangahy ity nandevilevy ity zazavavy kely ity, ary ny tsy fahitana azy tampoka taorian’ny trano may raha tsy ny hariva no tsy nahafahany nandà ny zavatra nataony intsony. Raha tsy tonga haingana anefa ny mpitandro ny filaminana tamin’izao fahatraran’ny fokonolona azy izao, dia saika ny fitsaram-bahoaka no nihatra tamin’ity rangahy ity. Ankoatra izany dia fantatra fa resaka fitsiriritana sy resaka fialonana no nahatonga azy nanao izao heloka be vava izao, satria resaka hofan-trano no olana. Ireto fianakaviana may trano sy maty anaka ireto mantsy tsy mba ampandoavan’ny tompon-trano hofan-tany. Efa ao Ambalatavoahangy miandry ny fitsarana azy ity rangahy ity ankehitriny taorian’ny fiakarany fitsarana…
Malala Didier



