- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka tao Soanierana Ivongo : Fiangonana zandriny nodoran’ny olona, 14 naratra, 19...

Sakoroka tao Soanierana Ivongo : Fiangonana zandriny nodoran’ny olona, 14 naratra, 19 voasambotra

Leo ! Tofoka tanteraka ny amin’ny ataon’ny fiangonana zandriny iray, tao Soanierana Ivongo ireo mponina tany an-toerana. Velona ny fifampihantsiana teo amin’ireo fokonolona sy ny mpivavaka tao amin’ity fiangonana ity ary tsy azo nialàna ny sakoroka, omaly maraina. Vokany, olona 14 teo ho eo no naratra mafy, nahitàna mpitandro filaminana tao anatin’izany. Mpivavaka miisa 19 kosa no nosamborina, ary nodoran’ny olona ilay fiangonana sy ny trano iray niaraka taminy. Omaly tokony ho tamin’ny valo ora maraina tany ho any no niseho ity sakoroka tao Soanierana Ivongo ity. Raha  ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia tofoka tanteraka amin’ny fombam-pivavahana tao amin’ity fiangonana zandriny iray ity izy ireo. Hatramin’ny nisian’izany tany an-toerana mantsy dia maro tamin’ireo olona no nisara-bady tsy fidiny, tao ireo voatery nivaro-pananana, handoavana ny ampahafolon-karena. Tsy miasa intsony ny olona ary misy ireo mpianatra no nandao tanteraka ny tokotanin-tsekoly, eny fa na hatramin’ireo mpianatra izay tokony hanala fanadinana aza. Izany eo ihany, araka ny fanazavàna nomen’ireo tany an-toerana, fa isan’ny tena nampirongatra ny olona ny fahafantarana fa hoe nisy lehilahy iray nofatorana tongotra aman-tanana tao amin’ilay fiangonana. Nitaky ny hamotsorana io lehilahy io ireo mponina izay nihatonga maro hatrany, saingy vatan-dehilahy am-polony, nirongo pilotra no nivoaka tao amin’ilay trano fivavahana, niambina izany. Tonga tany am-pototsofin’ireo tompon’andraikitry ny Omc ny raharaha, izay nivory avy hatrany ary nandray fepetra tamin’ny alalan’ny fidinana ifotony teny an-toerana. Tora-bato sy pilotra avy hatrany anefa no nasetrin’ireo mpino am-polony maro tao amin’ilay toerana, ireo mpitandro filaminana sy ny fokonolona izay nihamaro isa hatrany. Maro tamin’ireo fokonolona no naratra vokatry ny tora-bato, ka isan’izany ny pôlisy iray izay voa teo amin’ny tongony. Velona teo ny sakoroka. Niditra an-tsehatra nandrava ireo mpikomy ireto hatreo ireo mpitandro filaminana. 19 no voasambotra. Tsy hita kosa ireo mpitarika, izay mbola hanaovana savahao eran’ny tanana hatramin’ny omaly hariva, ora nanoratanay. Noho ny hatezeran’ireo mponina dia nodoran’izy ireo tsy nanany antra ilay trano fiangonana zandriny sy ny trano iray niaraka tamin’izany. Marihana fa ny volana mey lasa teo no nahazo alalàna hiforona tao an-tampon-tananan’i Soanierana Ivongo ilay fiangonana zandriny, saingy iray volana taty aoriana dia noravàna izany. Noho ity farany tsy manaraka sy manimba ny rafi-piarahamonina tao an-toerana, araka ny fampitam-baovao hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici