- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Ramatoa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Antsirabe : Ramatoa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Ramatoa mipetra-drery tokony ho 60 taona eo ho eo no maty nisy namono tao an-tranony ny alin’ny alahady lasa teo tao Andranomanelatra. Mihosin-dra ny tavany, tapaka ny hatony ary feno tsatoka antsy ny faritry ny lohany sy ny vatany. Lehilahy iray sendra nadalo tao amin’ny tranony hametraka entana no nahatsikaritra fa tsy nihidy ny tranon’io ramatoa io. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, omaly alatsinainy no tonga tao amin’ilay ramatoa ity tovolahy kely ity hametraka akanjo fa handeha hamonjy fialan-tsasatra any Faratsiho. Efa fanaony mantsy ny mandalo ao amin’io ramatoa io raha ny fanazavana. Nangina tanteraka anefa ny trano, niakatra tao ambony ilay tovolahy ary tao no nahitany ilay ramatoa, efa mihosin-drà, tsy misy aina intsoy  ary tsy misy akanjo ny tapany ambony. Ny kaominina no natonin’ilay tovolahy nilazany ny zavatra hitany, ary ireo farany no nampandre ny mpitandro filaminana. Taorian’ny fizahana no nahitana fa feno dian’antsy ny faritra amin’ny lohan’ilay ramatoa. Nahitana izany teo amin’ny tendany sy ny nonony, ny faritry ny lohany sy ny hatony izay volaza fa kely sisa no nitazona azy. Dimy moa no voalaza fa dian’antsy hita tamin’ny faritry ny lohany. Ny fanadihadiana no nahafantarana fa vao avy namoaka kisoa sy nahalafo tany io ramatoa io. Marihina anefa fa tsy nahitana endrika fandrobana ny tranony. Tsy nisy banga rahateo ny entana tao an-trano rehetra. Mbola tsikaritra hita tao amin’ny efitranony ny zava-pisotro sy sakafo natao tsakitsaky. Midika izany fa nisy fiarahana tamina olon-kafa izy  ny alin’ny namonoana azy io, na dia tsy nisy niboridana aza ny tapany ambany dia voalaza fa tsy nisy marika fanolanana hita tamin’ilay ramatoa. Efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharana ary efa mandehana ny fanadihadiana amin’izao.

Andry N.  

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici