Efa azo lazaina fa milamina ny ao an-tampon-tananan’i Soanierana Ivongo ao, taorian’ilay sakoroka nitranga ny alatsinainy lasa teo, ka nahamay fiangonana zandriny iray. Efa manomboka ihany koa ny famotorana ireo olona am-polony maro, isan’ireo mpino nikomy tamin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ireo ka nosamborin’ireo tompon’andraikitra. Fantatra kosa hatreto fa mbola tsy hita ny tany nanjavonan’ilay pasitera, izay milaza fa mpaminany sy « dahalo niova fo », nitondra ity fivavahana ity. Ity farany izay nitsoaka niaraka tamina vola an-tapitrisany maro, volam-piangonana. Marihana fa tsy vao tany irery ity fiangonana iray ity no voaroka sy nanomezana didy fandravàna toa izao fa efa maro ireo toerana nisian’ izany, anisany ny teto Andrenivohitra sy tao an-tampon-tananan’i Mahajanga tao. Maro ny nanenjehana ity fivavahana ity araka izany, toy ny hoe fanararaotana ara-nofo amina zaza tsy ampy taona, ataon’ireo mpitondra fivavahana fa eo ihany koa ny fomba tsy mifanaraka velively amin’ny rafi-piarahamonina eto amintsika. Raha ity tany Soanierana Ivongo ity , dia ireo mponina mihitsy no leo tanteraka amin’ny fomban’ity fiangonana ity. Maro mantsy ireo vehivavy no nandao ny vadiny ary dia niara-nitoetra tamin’ilay mpitondra fivavahana. Torak’izany ihany koa ireo ankizivavy sy tovovavy maromaro izay nandao ny tokantranon-dray aman-dreniny mba « hanompo » ilay pasitera, ny fanangonana vola sy firavaka amin’io, manginy fotsiny, hoy ny fampitam-baovao. Fitarainana noho izany no nahatonga ireo manampahefana eo anivon’ny Omc tany an-toerana, ny handrava ilay fiangonana saingy nandà hatramin’ny farany izany didy izany ireo mpanaraka an’Ingahy pasitera, tamin’ny alàlan’ny toraka vato sy fampiasàna pilotra ka dia io niafara tamin’ny rà latsaka sy fisamborana ary fandoroana ilay fiangonana io.
m.L