Lozam-pifamoivoizana tsy dia fahita firy no nitranga tetsy Ambohitsoa, omaly maraina. Fiara tsy mataho-dàlana iray no nofaohin’ny fiaran-dalamby izay nandalo tamin’ilay lalana. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy, raha ny angom-baovao azo teny an-toerana, saingy potika tanteraka kosa ny lohan’ilay fiara voafaoka. Tokony ho tamin’ny enina sy sasany maraina teo ho eo no nitranga ity loza ity araka ny fitantarana tovovavy iray, izay nahita maso tsara ny zava-niseho teny an-toerana. « Efa nisy ny anjomara lavabe izay faheno amin’ny fandalovan’ny lamasinina ireny tamin’io fotoana io. Asa anefa, raha maika loatra na hoe naninona ity fiara tsy mataho-dalana iray, izay handeha hivoaka hihazo ny lalana Ankadimbahoaka iny fa dia niroso ihany. Nijanona ihany anefa izy rehefa hitany fa tsy afaka intsony satria efa tena akaikay ilay lamasinina. Tamin’izay fotoana izay no nisy feon-javatra nikarepoka mafy dia mafy nanaitra ireo mponina rehetra. Hay, ny lohan’ilay fiara no nofaohin’ilay fiaran-dalam-by » hoy hatrany ity tovovavy ity. Raha nisy kely dia voaray hatramin’ny vatany mihitsy, ary izay vao tena zava-doza no nihatra tamin’ilay mpamily, izay naninona. Raha ny fantatra dia misy refiny mazava tsara ny fijanonan’ny fiara amin’ireny lalana tapahin’ny lalam-by ireny. Heverina fa tsy nanaja izay fetra izay ny mpamilin’ity fiara ity, izay nihevitra fa tafiala kanjo, dia izao no niafaràny. Na dia nisy aina nafoy aza tamin’ity lozam-pifamoivoizana dia inoana fa fotoana izao tokony handrasain’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, fepetra mahakasika ireo lalana rehetra eto amintsika izay tapahin’ny lalam-by kanefa dia tsy misy fiarovana sy zara raha misy famantarana. Fa indrindra ihany koa ireo lalam-by izay mandalo tanana, manapaka làlana be fiara mifamezivezy sy toerana be olona, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy iny faritra: Ankasina, Antanimena ambany, Isotry, Ampefiloha, Ankadimbahoaka sy ireo toerana maro samihafa eto Andrenivohitra.
m.L