- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntanimena : Telolahy nirongo basy nanafika « épicerie »

Antanimena : Telolahy nirongo basy nanafika « épicerie »

Mbola mifanaretsaka ny olona ary feno fiara ihany koa teny amin’ny làlana. Amin’ny fotoana tsy ampoizina hisy asan-jiolahy mihitsy no nitranga izany omaly tetsy Antanimena, ampitan’ny Villa Pradon, eo akaikin’ny biraon’ny HVM. Toerana izay feno mpiambina satria betsaka trano arovana iny kartie iny. Saingy tsy nampiahotra ny jiolahy tsy hanatontosa ny asany. Tokony ho tamin’ny folo ora sy fahefany omaly, no nisy lehilahy mirongo basy ary nanafika toeram-pivarotana enta-majinika. Norahonana tamin’ny fitaovam-piadiana ireo mpivady izay tompon’ny tsena dia nasaina nanome izay vola rehetra nisy tao. Nasaina nihohoka tamin’ny rindrina izy ireo ary avy eo nalaina ny vola tao anatin’ny baoritra. Telo lahy manao akanjo misy saron-doha no tompon’antoka. Tsy nanao saron-tava ireo fa kosa ny “capuchon” no nanakomana ny tava. Samy mitazona basy iray avy izy telo lahy. Ny roa niambina teo amin’ny fidirana ary ny iray kosa no tena niditra an-tsehatra tamin’ny fandrobana. Mbola nisy olona nividy zavatra tao amin’ilay toerana tamin’io fotoana io ary io ihany koa dia mbola voaroba vola. Variana ny rehetra, na ny mpitandro ny filaminana aza, raha nandre ny vaovao izay niparitaka afaka fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ilay fanafihana. Ny fahasahian’ireo jiolahy no tena nampitolagaga. Kanefa koa amin’ny lafiny iray dia toa efa mahazatra ny sofina ny fahenoana fa nisy fanafihana mitam-piadiana indray. Ny tsy fisian’izany indray aza no toa ohatry ny hafahafa amin’izao fotoana. Lasa faritra mena araka izany iny toerana iny tato ho ato. Isan’ny nampitahotra ny olona ny fisian’ny jiolahy mitam-basy izay manafika fiara tao anaty fitohanana rehefa harivariva. Izao kosa dia efa mivadika amin’ny antoandrobe ny fanafihana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici