Omaly no nankalazaina ny fetin’ny faha-45 taona nitondran’ny Malagasy ny zandarimariam-pirenena. Ny kolonely Richard Ratsimandrava no Malagasy lehibeny voalohany, raha araka ny tantara. Ankoatra ny kabary nifanesy izay nifandimbiasan’ny manam-pahefana, isan’izany ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, dia nisy ihany koa ny fampisehoana fahaiza-manao nataon’ny zandary manam-pahaizana manokana amin’ny fidirana an-tsehatra momba ny ady amin’ny jiolahy. Nahaliana ny maro izany hetsika izany ary nahavelom-bolo hoe mbola misy mpiaro ny mpiray monina. Nisy ihany koa ny dinik’asa mahakasika ny fitandroana ny filaminana eto amin’ny nosy.
D.R