- Publicité -
lundi, septembre 14, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosibe : Rava ny tambajotra mpangalatra môtô

Anosibe : Rava ny tambajotra mpangalatra môtô

Afaka hiaina kely indray aloha hatreto ireo mpitondra kodiaran-droa. Tambajotra mpangalatra môtô iray indray mantsy no ravan’ny pôlisy omaly teny Anosibe. Olona roa no voasambotra tamin’izany, ary mbola hita tao aminy ny môtô miisa enina izay efa teo an-dalam-piovàna. Fivarotana kojakojana ilaina amin’ny môtô no mody entin’izy ireo manafina ny asa ratsiny. Miova tanteraka io kodiaran-droa ireo rehefa azon’izy ireo, mba tsy hamantaran’ny tompony azy intsony. Irony karazana môtô « cross » irony no tena angadin’izy ireo raha ny hita teny an-toerana. Nanaovan’ireo pôlisy avy etsy Tsaralalàna bemidina sy sarika am-pandriana tao an-tokantranony ireto olona ireto omaly tokony ho tamin’ny dimy ora maraina tany ho any. Efa nisy mantsy ny fanaraha-maso azy ireto, ary vao mainka nanamafy ny ahiahin’ireto mpitandro filaminana ireto ny fisiana porofo iray izay tsy azo’ireo olon-dratsy nolavina. Ny iray tamin’ireo môtô nangalariny teny amin’iny faritra Ambatolampy Tsimahafotsy iny mantsy dia nisy « gps ». Rehefa natao ny fanarahan-dia tamin’ny alalan’izany fitaovana izany dia hita fa nijanona tokoa tamina toerana iray teny Anosibe ilay izy. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo tompon’andraikitry ny fokontany teny an-toerana dia saika mbola handà ny asa ratsy nataony izy ireo. Nampangain’ireo môtô enina sy ireo kojakoja maro samihafa tao an-tranony anefa izy ireo ka dia noraisim-potsiny. Efa mandeha ny famotorana azy ireo sy ny fitadiavana izao namany mety ho mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Ary hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici