Amin’izao fotoana izao dia efa manomboka mihalefy ny asan-dahalo ary miaina am-pilaminana ireo mponina any amin’iny faritra Ambovombe Androy iny noho ny ezaka ataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana, izay tarihin’ny Lehiben’ny Faritra any an-toerana. Toerana roa izay malaza tanteraka amin’ny asan-dahalo, dia tao Manomby akaikin’i Tsivory ary tany Beraketa no nanaovana ezaka manokana tamin’ny alalan’ny rodobe izay niarahan’ity tompon’andraikitra ambony ity tamin’ireo zandary sy ny tafika, ambanin’ireo kalôny. Nisy ny mpitandro filaminana namoy ny ainy tamin’izany saingy maro ihany koa ireo omby halatra tra-tehaka sy efa naverina tamin’ny tompony. Nandritra ny fandravana ny toby fieren’ireo dahalo tao Andriry dia maro tamin’ireo malaso no nilavo lefona sy nitolo-batana. Tonga tany Beraketa mihitsy moa izy ireo nanao izany. Ato ho ato ihany koa, raha ny fantatra, dia mbola hisy ireo dahalo hafa izay ho tonga hilavo lefona sy hanatsahatra ny asa ratsiny. Marihana fa vy nahitàna sy tompon’antoka tamin’izany ity Lehiben’ny faritra ity, raha ny fanazavàna azo. Ary izy irery ihany hatreo no sahy mijoro sy miezaka mamongotra ity asan-dahalo izay efa ela nampijaly loatra ny mponin’Androy ity, araka ny fanazavàna nomen’ny Solombavambahoaka voafidy tany an-toerana.
m.L