- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversNikela hosoka : Mifampitory ny gasy sy ny sinoa

Nikela hosoka : Mifampitory ny gasy sy ny sinoa

Mahita atao ireo “mpibizina” malagasy amin’izao amin’ny fitadiavan’ireo Sinoa vokatra fanodina avy eto amintsika. Efa nitranga izany tamin’ny resaka andramena sy kraoma, izao indray dia resaka nikela izay orinasa tokana ny mpamokatra izany eto amintsika, nefa mbola sahin’ireto “mpibizina” tsara mpiaro eto amintsika ireto ny misoloky mpandraharaha Sinoa amin’ny resaka Nikela.

Raha ny angom-baovao marim-pototra natao dia mpandraharaha iray misahana resaka “fasi-drano” (sable de rivière) no nahavita izao fisolokiana avo lenta tany Chine izao. Tamin’ny fiandohan’ny volana jona teo dia nanondrana entana 10 kaontenera tany Hong-Kong ity orinasa ity; orinasa iray fantan-daza teto Toamasina amin’ny fisahanana entana fanondrana no nisahana ny fandefasana ny entana tamin’izany. Raha nikela anefa no nifarahan’ny roa tonta, ny mpividy sy ny mpivarotra, dia “fasi-drano” no tonga tany Sina natao tao anatin’ireo kaontenera miisa 10 ireo. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana fa tena “fasi-drano” ny taratasy nahondrana niainga teto Toamasina, saingy niova ho nikela ilay taratasin’ny entana teny ambonin’ny sambo ka izay no nisolokiana tany amin’ilay orinasa Sonia mpividy ny entana tany Hong-Kong. Tao anatin’izay anefa dia efa nandoha ny vidin’ny entana ilay orinasa Sonia izay mahatratra 1,6 miliara ariary. Vokatry ny fasolokiana nahazo ilay orinasa Sinoa dia nitory ilay mpandraharaha malagasy izy ireo. Taty aoriana dia ilay orinasa Malagasy indray no nitory ilay orinasa nisahana ny fanondranana fa nanao hosoka ny entana nahondrany. Efa eo am-palen-tanan’ny fitsarana eto Toamasina ny raharaha ankehitriny, saingy sarotra ny fandehany noho ny fahamaroan’ny mpanelanelana amin’ity raharaha ity, ka nahatonga ilay orinasa Sinoa mandrahona ilay orinasa nisahana ny fanondranana ny entana sy ilay orinasa nifaraka tamin’izy ireo tamin’ny fanondranana ilay nikela tany Hong-Kong ankehitriny.

Araka ny angom-baovao hatrany dia milaza ny tsy hilefitra amin’ny fandoavana ilay vola be 1,6 miliara ariary voalaza fa naloan’ilay orinasa Sinoa ilay orinasa nisahana ny fanondranana ireto kaontenera 10 takian’ilay mpanondrana. Olona dimy no voaroiroy tamin’izao raharaha izao, olona iray mpiasan’ilay orinasa anefa no miandry fitsarana am-ponja. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici