Azo lazaina fa nilamindamina ihany ny fankalazana ny Fetin’ny Fahaleovantena 2017 raha ny zava-nisy teto Antananarivo sy ny manodidina. Nahitana fihenana betsaka ireo olona tsy maintsy namonjy hôpitaly raha ny tetsy amin’ny HJRA Ampefiloha no jerena. Hatramin’ny teo amin’ny 5 ora hariva ny omaly, ora nandalovanay teny an-toerana, nahatratra 118 ireo niditra tao amin’ny sampana Vonjy taitra (Urgence) ka ny 23 tamin’ireo no tsy maintsy naiditra hôpitaly ny andron’ny Alahady 25 jona. 36 kosa izany ny 26 jona, hatramin’ny dimy ora hariva. Amin’ny ankapobeny dia ireo ratra vokatry ny adiady madinika no betsaka satria nahatratra 58 izany ny Alahady raha 12 kosa ny 26 jona. Nihena ihany koa ny lozam-pifamoivoizana tamin’ity raha refesina amin’ireo olona naratra vokatr’izany. Nahatratra 15 izany ny Alahady. 12 kosa ny andron’ny 25 jona.
Raha ny teo anivon’ny sampana Famelomana aina (Réamed) kosa, nihena ihany koa ireo olona tratran’ ny hamamoana be loatra na toran’ny toaka. Tsy nisy afa-tsy 12 monja tamin’ireo 36 niditra tao amin’ity toerana ity no voan’izany, ny 25 sy 26 jona hatramin’ny 5 ora hariva. Torak’izany koa ireo izay tratran’ny famoizam-po izay tranga mahazo vahana amin’ny fety toy izao. Tsy nisy afa-tsy 02 izany nadritra io roa andro io. Nihena ihany koa ny tratran’ny fanapozinana ara-tsakafo izay tsy nihoatra ny 11 fotsiny izany.
T.M.