- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAdin’ny samy karana teto Toamasina : Mihemotra ny 25 jolay ny fitsarana,...

Adin’ny samy karana teto Toamasina : Mihemotra ny 25 jolay ny fitsarana, tsy nisy tonga izy ireo

Isan’ny raharaha mahasarika olona ny mampifanolana ireto tera-tany karana roa izay mpinamana fahiny tonga eny anivon’ny fitsarana ady heloka Toamasina. Raha tokony ho ny talata 27 jona teo no niakatra fitsarana ny raharaha fifampikasihan-tanana teo amin’izy mirahalahy iray finoana sy iray fiangonana ireto, dia nahemotra ny 25 jolay izao indray izany noho ny tsy fahatongavan’ny mpitory izay eto Toamasina ihany, sy ny tsy fahatongavan’ny notoriana izay mbola miatrika ny fitsaboan-tenany atsy La Réunion raha nanao ny fandaminana rehetra nahafahany nihazo ity nosy ity, taorian’ireo sakantsakana nahazo tsy nahazoany nivoaka ny sisin-tany noho ity raharaha ity ihany. Ny voasoratra tamin’ny lisitry ny fitsarana omaly, dia resaka fifampikasihan-tanana izay nahazoana tsy fahafahana miasa 10 andro ity raharaha mampifanolana tera-tany karana roa ity. Raha hiverenana ny raharaha, dia resaka tany iray eto Toamasina renivohitra no niteraka ny adin’izy mirahalahy ireto; ka izao nivadika ho fifampikasihan-tanana izao ny raharaha ny volana may lasa teo izay nitranga teo anivon’ny fiangonan’izy ireo. Tsy nijanona teo anefa izany na nisy aza ny fanelanelanana nataon’ireo samy karana iray finoana amin’izy ireo, fa tonga tamin’izao fitoriana teny amin’ny fitsarana izao. Ho hita eo izany ny ho tohin’ny raharaha ny 25 jolay ho avy izao nanemorana ny fitsarana tokony natao omaly…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici