- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo atsinanana : Notorian’ny anabaviny ho nanolana azy ny anadahiny…

Fenoarivo atsinanana : Notorian’ny anabaviny ho nanolana azy ny anadahiny…

Efa mahita atao mihitsy ny olona ankehitriny amin’ity tany ity, satria tranga iray isany nahagaga ny fitsarana ady heloka nitsara ny raharaha ny zava-nisy, tao Saranambana Fenoarivo atsinanana ny talata teo, raha nisahana ny raharaha fitorian-dRtoa Torine ny anadahiny ingahy Talata tamin’ny resaka fanolanana sy fanaovana fihetsika mamoafady. Nandritra ny fandaharana izay tsy tonga ny mpitory na nahazo fiantsoana ara-dalana aza, niatrika ny fitsarana ny fitoriana nataony, fa resaka ady tany teo amin’izy mianadahy no nahatonga ity tranga tsy nisy akory ity, nefa nanaovan’ny zandarin’i Fenoarivo atsinanana fanadihadiana lalina, ny taona lasa. Ny ray no itambaran’izy mianadahy ireto ka raha nahare ity anabaviny fa nomen-drainy tany hambolena ho lovany ilay anabaviny, dia nanao ny fomba rehetra hahazoana izany; hany ka raha mody namangy ny anadahiny izy ka tsy tafody alina fa natory tany aminy dia io resaka fanolanana sy fanaovana fomba mamoafady io no nentiny nitoriana ny anadahiny. Roa taona niandry fitsarana am-ponja ilay anadahiny noho izany, izay fotoana nahafahany namindra ilay tany amin’ny anarany; nefa raha namoaka ny didim-pitsarana ny filohan’ny fitsarana ady heloka nisahana ny raharaha, dia nafahany tamim-pisalasalana ny  heloka tsy nataony ingahy Talata. Na afaka am-ponja aza ity tovolahy ity dia matahotra ny hody an-tanàna any Saranambana noho ny tahotra ny fiarahamonina amin’ny heloka tsy nataony…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici