- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Tsy tonga ilay artista, nodoran’ny olona ny fanamafisam-peo

Ambatondrazaka : Tsy tonga ilay artista, nodoran’ny olona ny fanamafisam-peo

Raikitra ny sakoroka tao amin’ny kaominina iray tany Ambatondrazaka tamin’ny alatsinainy, fankalazana ny fetim-pirenena teo. Tsy tonga ilay artista malaza saika hanafana ny sehatra ka nitroatra ny vahoaka, naneho ny hatezerany. May tanteraka tsy nisy noraisina ny fanamasim-peo, raha potipotika kosa ny lampihazo. Araka ny fampitam-baovao azo tany an-toerana dia tokony hanao fampisehoana, hanafana ny fankalazana ny fetim-pirenena tany amin’ity kaominina ity ny mpanakanto fanta-daza iray. Ny alatsinainy teo, tamin’ny efatra ora hariva ny nifampitaoman’ny rehetra tamin’izany. Ora maromaro talohan’io dia efa vory lanona ireo vahoaka. Nipaika anefa ny tamin’ny efatra ora hariva, tsy mbola hita nanangasanga akory ity mpanakanto  ity. Noheverin’ny maro fa nisy fahatarana teo amin’ny lalana ka dia niandry hatrany ireto mpijery. Nandroso ihany ny fotoana. Tonga ny tamin’ny enina ora hariva, efa niha-maizina ny andro kanefa tsy mbola niaka-tsehatra ihany ilay mpanakanto. Nandeha tamin’izay teo ny feo fa hoe tsy tonga any amin’ilay toerana mihitsy izy. Nanomboka ny fimonomononana isan-karazany ary teo no tsy voafehy intsony ireo vahoaka maro. Niafara tamin’ny fanimban-javatra maro mihitsy izany ary izay tonga hatramin’ny fandoroana ny fanamasim-peo izao. Voatery niditra an-tsehatra teo ny mpitandro filaminana niezaka nandamina ireto olona marobe. Raha ny fantatra dia toa hoe voatana tany amina fampisehoana hafa tany amin’ny kaominina iray hafa ity mpihira malaza ity, ka tsy afaka intsony nakany an-toerana. Fantatra moa fa efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana eny an-toerana ny raharaha mahakasika ity fetim-pirenena niafara tamin’ny sakoroka ity.

m.L / Janus

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici