- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversLa Réunion : Malagasy iray namoy ny ainy, roa hafa naratra mafy

La Réunion : Malagasy iray namoy ny ainy, roa hafa naratra mafy

Ny asabotsy lasa teo no nitrangan’ny loza. Fianakaviana malagasy handeha hamonjy fodiana no nisy fiara nifaoka tampoka. Raha ny fitateran’ny Malagasy izay monina ao an-toerana dia fiara tsy mataho-dàlana marika Hummer no nandona. Niverina tampoka ilay fiara raha tokony handroso noho ny tsy fahaizan’ny mpamily. Nifatratra avy hatrany tany amin’ireo fianakaviana kely izany. Telo no naratra mafy ary samy nentina faran’izay haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana tao amin’ny hopitaly Félix Guyon de Bellepierre ao Saint-Denis. Ny mpamonjy voina tao an-toerana no niandraikitra izany fitaterana izany ary teo an-toerana ihany ireo dia efa nahatsikaritra fa nijanona ny fon’ilay rangahy noho ny fahavoazana nanjo azy. Nahasorena ny  teratany malagasy monina ao amin’io nosy rahavavy io ny fitateran’ny gazety tao an-toerana ilay lozam-pifamoivoizana. Ny antony dia satria nisy nilaza fa tsy dia tena ilay fahavoazana loatra no nitarika ny fahafatesana fa ilay raim-pianakaviana izay maherin’ny 60 taona no misy aretim-po. Tsy nisy porofo akory ny haino aman-jery sasany tao La Réunion dia sahy nitatitra an’izany.  Nanara-maso akaiky ity raharaha ity ny fikambanana “Feo Madagascar” izay ivondronan’ny fikambanana miisa 25 ao an-toerana. Amin’ny alahady ho avy izao izy ireo dia hikarakara fotoam-pivavahana mba ho fialan-tsasatry ny namoy aina ary koa mba ho fitrotroana am-bavaka ny marary roa izay mbola any amin’ny hopitaly. Niteraka resa-be tamin’ny tambajotra sosialy tany La Réunion ity tranga ity. Eo ihany ny fanamelohana ny tsy fahaizan’ilay mpamily nitondra fiara dia izao nitera-doza izao, fa kosa ilay lafiny fanovàna ny vaovao no isan’ny nahatohina ny maro. Ary raha mba Malagasy no nandona dia asa fotsiny izay nanjo azy, raha araka ny fanamarihan’ny olona sasany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici