- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversGasy maty tao La Réunion : Avy namonjy fety no nodonin’ilay 4X4...

Gasy maty tao La Réunion : Avy namonjy fety no nodonin’ilay 4X4 Hummer

Mitombo hatrany ny vaovao azo momba ilay fahafatesana teratany Malagasy, tao Barachois. Taorian’ny lahatsoratra navoakanay omaly, dia nisy mpiray tanindrazana izay nanampy fanazavana ary nilaza fa avy namonjy fety, fetin’ny samy Malagasy tao Barachois izy telo mianaka no io vo’donan’ ny fiara io. Fety malagasy izay an-kalamanjana ary isan’ny goavana indrindra ao an-toerana hatramin’ny taona 2002. Raha hizotra handeha hamonjy fodiana izy telo mianaka no nisy Hummer izay raha tokony handroso, dia ny “marche arrière” indray no voatsofoka. Tsy voafehin’ny olona nitondra azy intsony ny familiana ka nifatratra tany amin’ireo olona telo. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina ary nanao izay fomba nanavotanaazy ireo, saingy tsy tàna intsony ny ain’ilay raim-pianakaviana. Ireo zanany vavy roa kosa dia mbola tsaboina any amin’ny hopitaly hatramin’izao. Afakampitso no hanao fiaraha-mivavaka ny Malagasy monina ao La Réunion;  izay mpikambana eo anivon’ny “Feo Madagascar”. Nampihetsi-po ny Malagasy monina ao an-toerana ity tranga ity satria  vao avy niaraka nifety tamin’ny mpiray tanindrazana no nisy fahafatesana tampoka. Tsy an-kijanona ny teny fampiononana amin’ny tambajotra sosialy, taorian’ity raharaha ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici