- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversBypass : Mpitondra scooter maty nifandona tamina fiara

Bypass : Mpitondra scooter maty nifandona tamina fiara

Môtô « scooter » iray no nifandona tamina fiara « sprinter » iray teny amin’iny faritra By Pass iny,  ny alin’ny alarobia lasa teo. Vokatry ny dona mafy nahazo azy dia maty tsy tra-drano ilay tovolahy nitondra ilay « scooter ». Vaky tao anatin’ny aroloha nanaovany ny lohany, ary nitarika ny fahatesany. Raha ny zava-nitranga araka ny voalazan’ireo nanatri-maso dia samy nandeha mafy izy ireo, na ilay fiara « sprinter » na ilay « scooter ». Sendra ny tsy nampoizina tampoka anefa ilay mpitondra môtô, izay tsy fantatra na olana ara-teknika tamin’ilay kodiaran-droa nentiny fa nihilangilana ity farany. Tsy tanany intsony araka izany ny familiana ary dia nifatratra teny amin’ilay fiara izay nifanatrika taminy izy. Nandriaka teo ny rà. Potika tanteraka kosa ilay môtô nentiny. Nentina tany amin’ny hôpitaly ny razana nanaovana fitiliana ary nomena ny fianakaviana nony avy eo. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana. Fa ankoatra izay dia fiara iray marika Peugeot no niharan-doza omaly vao maraina tetsy Androndrakely, rehefa tafalatsaka tao anaty hantsana. Potika tanteraka ilay fiara saingy tsy nisy naninona kosa ireo olona roa tao anatiny. Araka ny fantatra dia efa maro ireo fiara no tra-doza ao anatin’io hantsana io. Lala-mahitsy valiana fiolam-be tampoka mantsy izy io ka raha tsy za-dalana na tsy mitandrina fa mandeha mafy dia tra-doza avokoa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici