Na dia somary nangingina aza dia mbola tsy lefy ny halatra lavanila tany amin’iny faritra Sava iny. Ny alakamisy lasa teo, lehilahy iray no tratran’ny fokonolona nangalatra lavanilana tany Andapa ka avy hatrany dia niharan’ny hatezeran’ireo mponina. Saika nanaraka hatramin’ny ainy fa soa ihany fa mbola teo ireo niezaka namonjy azy sy nitondra tany amin’ny tobim-pahalasamana. Tsy nananan’ireo nahatratra antra mantsy fa dia norasarasain’izy ireo tamin’ny antsy ny tarehin’ity lehilahy tratra nangalatra lavanila ity. Niendaka tanteraka araka izany iny tarehiny ilany iny. Ambonin’izany ny daroka sy vono. Nampandrenesina noho ity toe-javatra ity ireo tompon’andraikitra ka niezaka avy hatrany nandamina ireo mponina. Nentina avy hatrany notsaboina moa ity lehilahy rava tarehy ity, tetsy andanin’izay. Miandry ny fahasitranany kosa ny fanombohana ny fanadihadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra.
m.L