Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanitarana ny Fiangonana sy toy ny fanao isan-taona dia hatao ny alahady 09 jolay 2017 ho avy izao ny fitsangantsanganan’ny Taranaka rehetra avy eo anivon’ny FJKM Antsahamanina Famonjena. Eny Ambohimboahangy Imerinkasinina no hanaovana izany.
Toy izao ny fandaharam-potoana amin’izany: amin’ny 9ora30 ny fanompoam-pivavahana rehefa vita izany dia misy ireo lalao maro samihafa ka ny tena hisongadina amin’izany dia ny fifaninanan-kira izay ahitana sokajin-taona ankizy, tanora ary lehibe. Hita ao amin’io ihany koa ny varotra maro samihafa ary ny sakafo antoandro dia efa misy eny an-toerana sy azonao jifaina sahady dieny izao amin’ny vidiny 15.000 ar sy 3.000 ar. Tsara raha fitaovam-pihinanana fotsiny no entinao fa efa vonona avokoa ny sakafo sahaza anao.
Misy fiara iombonana amin’izany ka iangaviana mba hiantso ireto laharana ireto izay handeha amin’izany : 034.03.718.48 na 032.02.473.33. Eo amin’ny BNI Mahavoky ny fiaingana amin’ny 7h30 maraina ary raha tsy tratranao izany dia eo amin’ny Jovenna Ambohimangakely indray no misy navety miandry anao amin’ny 9 ora maraina.
Fotoan-dehibe hampiraisana sy hifankahalalantsika io fotoana io ary ho fantatra amin’izany ny faritra misy anao eto Antanananarivo ary hahazo vaovao mahakasika ny fanitarana ny Fiangonana ihany koa isika rehetra. Aza manadino ny Tanindrazanao.
H.R.