Iza intsony moa no vaovao amin’ireo fisolokiana maro isan-karazany amin’ireo entana sasantsany amidy eny an-tsena ? Amin’izao fotoana izao, dia mahavatra mitety faritra sy tanàna mihitsy ny ireo mpisoloky, mitondra fanambakàna sy mivarotra am-pitsanganana. Vao omaly, mpivarotra iray teny Alarobia Amboniloha no saika lasibatr’izany fisolokiana izany. Lehilahy, izay manodidina ny 35 taona teo ho eo no tonga nitondra solosaina fentin-tanana iray. Milaza ity farany fa solosaina vao avy novidiany tany Chine izy io ary amin’ilay hiaka farany, saingy nisy nanendaka izy ka very ny volany ary amidiny amin’ny vidiny mora dia mora izy io mba ahafahany miverina any an-tanindrazany. “Marika fantatry ny rehetra ity solosaina ity ary amin’ny fomba mailaka dia mailaka no hanehony ny mombamomba azy. Raha dinihana tokoa dia mitovy tanteraka amin’ireo solosaina hiaka farany mivoaka amin’izao izy io” hoy ny fanazavàn’ity mpivarotra ity. “Ambarany fa manodidina ny 3.600.000 ariary eo ho eo ny vidiny nividianany azy ity fa alefany iray tapitrisa ariary izany. Misy “facture” mihitsy moa asehoany”. Araka izany tsy vitsy ireo tafaroboka, izay mimenomenona anaty tambanjotra sosialy tao, ary efa nahazon’ity mpisoloky mitety vohitra ity, vola an-tapitrisany maro. Rehefa tena tiliana mantsy ilay solosaina, araka ny fanazavàna hatrany dia tsy araka ny tokony ho izy akory. Ary ny tena loza dia solosaina efa tena taloha izy io ka raha tombanana dia tsy misy afa-tsy iray hetsy ariary mahery any ho any. Nisy tamin’ireo moa no nametraka fitarainana avy hatrany teny anivon’ny mpitandro filaminana. Mila mailo dia mailo tokoa araka izany fa ny ratsy kely lalàna, ary toa efa miroboka hatramin’ny vahiny.
m.L