Fiarabe roa, nitondra entana sy olona, handeha hizotra ho any Toliara no lasibatry ny asan-jiolahy teo amin’ny sampanan’i Berenty, distrika Ankazoabo Atsimo ny faran’ny herinandro lasa teo. Vokany olona iray maty voatifitr’ireo malaso ary vola mitentina eo amin’ny 40 tapitrisa ariary eo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy. Tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina tany ho any no nitrangan’ity fanafihana ity. Nirongo basim-borona ireo andian-jiolahy tamin’io fotoana io ary efa nitampify sy niandry izay fandalovan’ireto kamiô ireto fotsiny. Vantany vao nipoitra ny iray, avy hatrany dia norarafan’izy ireo ny bala. Na teo aza anefa izany dia niezaka ny niala ity fandrika ity ilay mpamily ary dia tafatsoaka ihany. Saingy nisy olona iray tao anatiny no niantefan’ny bala ary maty tsy tra-drano. Sendra ny sampoka ara-teknika kosa ny mpamilin’ilay fiarabe faharoa satria dia « calé » teo am-pitsoahana izy ary dia noraisin’ireo jiolahy mora foana. Tapitra voaroba avokoa ireo mpandeha rehetra tao anatiny, izay nampidinin’izy ireo tsirairay. Ary saika lasa avokoa ireo entana sarobidy rehetra, niampy vola 44 tapitrisa ariary. Ny somary nahavariana tamin’ny fihetsik’ireo malaso dia vehivavy iray nitaiza sy nilaza fa tsy nanam-bola no mbola manana zanaka marary no nomen’izy ireo vola 20.000 ariary. Taorian’ity fanafihana ity dia zandary maro avy Ankazoabo Atsimo, niaraka tamina zandary avy any Toliara sy Sakaraha no nalefa any an-toerana hanao ny fanadihadiana sy hikaroka ireto olon-dratsy ireto.
m.L