Nitrangana vono olona niseho tamin’ny fomba feno habibiana tao Mangarivotra Beparasy Distrikan’i Moramanga, ny naraina zoma teo, tokony ho tamin’ny folo ora. Raha ny fantatra, dia niara-maty novelesin’ny olona tsy fantatra tamin’ny “bois rond” tapaka kininina miisa dimy ny lehiben’ny Fokontany Ankazondandy sy ny vadiny. Teny an-dàlana hody nandeha moto, 4km tsy ho tonga ao Beparasy izy mivady ireto no niharan’ny fanafihana, izao tra-doza izao. Ankevitry ny tetika efa voaomana mialoha ity vono olona nahatsiravina ity, satria mbola tavela teo ny tavoahangy toaka nosotroin’ireo mpamono. Lasan’ireo jiolahy kosa ny moto nentin’ilay Sefo Fokontany, hoy ny tati-baovao voaray.
Eric Manitrisa