- Publicité -
dimanche, novembre 16, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN4 : Mpanakan-dalana telolahy maty voatifitry ny zandary

RN4 : Mpanakan-dalana telolahy maty voatifitry ny zandary

Telolahy rain-dahiny tanteraka amin’ny fanakanan-dalana eny amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny no lavon’ny balan’ny zandary omaly vao maraim-be, teo amin’ny fokontany Ambalabongo, ao amin’ny kaominina Berivotra, distrika Maevatanana. Raha ny fampitam-baovao azo dia efa saika hanao ny asa ratsiny izy ireo no voalaza ara-potoana ny zandary ary dia raikitra ny fifampitifirana. « Niisa enina ireo jiolahy izay nirongo basim-borona telo. “Barre à mines” sy antsy no  nanakan-dalana tamin’ny vato teo amin’io RN4 io, PK 465+700. Fiara iray izay saika hotafihan’izy ireo saingy tafaporitsaka no nampandre ireo zandary nanao fisafoana tao an-tanàna izay avy hatrany dia namonjy io toerana io, notarihan’ny Komandin’ny Kaompania ka mbola hitan’izy ireo teo ireo mpanakan-dalana », hoy ny fampitam-baovao azo. Vantany vao nahita ny fiara nisy ireo mpitandro filaminana ireo olon-dratsy dia nitsoaka avy hatrany ny sasany. Nisy iray kosa avy dia nanatona ary nampiasa ny basim-borona teny aminy. Namaly avy hatrany ireo zandary ary maty voatifitra ity farany. Vao mainka nanamafy ny fitsoahany ireo namany no sady nanapoaka basy. Raikitra teo ny fifanenjahana ka nisy roa hafa tamin’ireto mpanakan-dalana ireto no lavon’ny bala. Mbola hita teny amin’ireo jiolahy voatifitra ireto moa ny basim-borona calibre 16 netin’izy ireo sy ireo karazana zava-maranitra fentin’izy ireo manafika. Marihana fa tsy nisy naratra na namoy ny ainy ireo mpitandro filaminana. « Nosokafana ny famotorana ary efa mandeha ny fikarohana ireo jiolahy ambiny. Isaorana mialoha ireo mpiray tanindrazana izay mifanampy manome vaovao toy izay nataon’io fiara iray io, izay efa nisaorana rahateo. Ny firaisan-kina tokoa no hery ka na efa manao izay ho afany sy tratry ny heriny aza ny mpitandro ny filaminana dia tsy ho ampy izany raha tsy misy ny fifanomezan-tànana. »

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici