- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Sarona ilay mpanapaka filahiana sy mpaka rà

Ambatondrazaka : Sarona ilay mpanapaka filahiana sy mpaka rà

Olona 3 no efa  voasambotra  amin’izao fotoana izao ary efa nampidirina amponja vonjimaika avokoa,  ary dia tsy tontosa ilay sorona  saika hatao  satria saron’ny teny anivon’ny zandarimaria ilay lehilahy nitondra ilay filahiana sy ilay rà nandositra. Raha tsiahivina dia fakana filahiana sy ràn-jaza tany Tanambao be sakay no  niandohan’ny raharaha. Maty ilay zandriny 4 taona izay nalaina rà  fa ilay zokiny 16 taona kosa velona soamantsara fa ny fitaovam-pananahany iray manontolo no   nalana  teo amin’ny toerany. Nanao ezaka goavana ny zandary noho ny fahatahoran’ny vahoaka  sy ny fielezana tsaho ny mbola hitohizan’izao habibiana mahatsiravina izao, ka fantatra fa  hita avokoa ny tena tompon’antoka. Nafenina tao anaty  poketra ilay filahiana rehefa avy nangalarina  ,ka ny loharanom-baovao no nahenoana fa saika hatao ny tsinam-bolana ny sorona. Noho ny hezaky ny zandary avy ao amin’ny kaompanian’Ambatondrazaka sy ny fokonolona anefa dia sarona tao Andaingo Gare  ireo entana saika hanaovana  sorona ireo, miaraka amin’ilay tovolahy iray nitondra azy. Araka ny loharanom-baovao ihany koa dia mbola misy namana mpiray tsikombakomba amin’izy ireto any ho any  fa sarotra ny fanaovana fanadihadiana amin’ilay nahazoana ilay filahiana, noho izy mody manao be tsy miteny sy somary manao  adaladala .  Hentitra ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao eo amin ‘ny tontolon’ny tsy fandriampahalemana ka miantso ny vahoaka  mba  hiara-miasa aminy hamongorana ny ratsy. Isaoran’izy ireo ny vahoaka ao Andaingo tamin’ny fiaraha-miasa.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici