Hatramin’ny volana jona no mankaty dia voalaza fa inefatra notafihan’ny dahalo ity kaominina Tritriva, distrika Betafo, ity. Olona roa indray no lavo vokatry ny fanafihana nataon’ny dahalo. Sasatry ny miarina ny mponina noho afitsok’ireo dahalo fa dia saika ho isan’andro mihitsy ny fahafihana. Kominina iray somary efa mihataka an’i Betafo, tsy dia mifanalavitra loatra an’Antsirabe fa tao Tritriva, no nisy nanafika. Vokany, olona roa no maty, ny iray lehilahy teo an-tanàna, ny iray hafa isan’ireo dahalo nanafika. Raha ny angom-baovao, tsy sahy nivoaka ny trano ny fokolona teo an-toerana fa nihidy an-trano avokoa, ny dahalo rahateo nanampim-bararavana tamin’ny alalan’ny poa basy tsy misy farany sy ny horakoraka. Lehilahy iray teo an-tanana, no nanao vy very ny ainy, nitsambikana tany ambadiky ny trano, ary nifanehetra tamin’ireo dahalo. Voalaza fa manana basy io lehilahy io ary nifampitana minitra maromaro tamin’ireo dahalo mihitsy. Vaky nandositra ihany ireo dahalo nony farany, ary efa nangina tanteraka ny Tanana vao sahy nivoaka ny fokonolona. Marihina fa toerana tsy dia be mponina loatra ity nisy nanafika ity. Lehilahy iray antsoina hoe Ra-Flôra no avy hatrany dia niantefan’ny sain’ny fokonolona teo an-tanana, ka io no notadiavina. Akory anefa ny hagagana nahita ny vatan’ity lehilahy iray tsy misy aina intsony, fa nokapakapain’ny dahalo tamin’ny famaky ny lohany. Feno rà ihany koa hita tamina lalana iray nizoran’ireo dahalo. Rehefa narahina izany dia hita tsy lavitra koa ny faty olona iray, dahalo izy io voatifitra teo amin’ny tratrany. Nandritra ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana teny an-toerana no nahalalana fa voatifitry ny basim-borona io lehilahy io. Mbola niravaka ody gasy maro toy ny moara moa teny am-balahana. Taoarin’ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny BMH dia nalevin’ny fokonolona ny razana.
Andry N.