Tokony ho tamin’ny iraika ambin’ny folo alina, ny alatsinainy teo no nigadona ny roa lahy nitam-basy, tetsy amin’ny Cité des 67 hectares. Ny tena tanjon’ireo, dia ny hanesy ny trano teo amin’ny manodidina. Nahomby izany tao amin’ilay tokantrano voalohany. Raha ny fantatra dia vola mitentina 1,5 tapitrisa ariary izay nampirimina tao anaty “armoire” no lasa. Ankoatr’izay dia mbola nobatain’ireo olon-dratsy ihany koa ny solosaina azo entina mandehandeha sy ny finday telo an’ny olona tao amin’ilay trano voatafika. Raha araka ny fanamarinana natao tamin’ny mpitandro ny filaminana, dia mpianatra ho mpiasam-panjakana ambony ilay niharan’ny fanafihana. Nisy nahatsikaritra ny zava-nitranga rehefa nivoaka tao amin’ilay tokantrano voalohany ny jiolahy. Teo am-panatontosana ny fanafihana faharoa no nirefotra ny basy avy amin’ny tompon-trano. Izany ihany koa no nampitsoaka avy hatrany ireo roa lahy nitam-basy izay voaporofo fa jiolahy. Ity toe-javatra ity dia toa manome hevitra ny tokony hanamorana ny fangatahana alàlana hitazona basy ho an’ny olon-tsotra. Ny matetika averimberin’ny manampahefana mantsy rehefa tsy voafehy ny filaminana dia ny hoe: tsy ampy isa ny mpitandro ny filaminana. Dia mipetraka ny fanontanian’ny olona ny amin’ny hoe iza izany no andrasana hiaro azy ireo sy ny fanananany satria efa mazava ny an’ny mpitandro ny filaminana, voafehin’ny isany ny fidinany an-tsehatra. Adidin’ny tsirairay ny miaro ny tenany, ny fianakaviany ary ny fananany, eo amin’ny fiarahamonina misy azy. Rehefa hita fa tsy ampy ny enti-manana sy ny isan’ny mpitandro ny filaminana, dia ilaina izany ny hanampiana ny olona mba hiarovany ny tenany. Tsy voatery halalahina akory ny fahafahana mitazona fiadiana, fa hamoraina kosa ho an’izay olona mendrika sy voaporofo fa tokony hitazona an’izany.
D.R