Notetitehina tamin’ny fomba feno habibiana no namonoana ilay mpivarotra iray tao antapon-tananan’Anosibe an’Ala rehefa avy nosolokiana tamin’ny fivaritana « mercure » ny 20 juin 2017. 47 km miala an’Anosibe an’Ala mianandrefa no nahitana ny fatiny tao Tsaravinay.Sorena tamin’ny famezivezena azy vokatry ny nataon’ilay mpimasy milaza ho tompon’ity harena sarobidy ity izay efa naharitra no matetika maka vola ity mpivarotra voasoloky ka nandeha nanainga tongotra ny hijery ifotony ny zohy voalaza fa misy ity harena ity. Efa nisy omby iray lehibe ihany koa nomena hatao sorona satria nilaza ilay mpimasy fa miandry andro tsara araky ny voatondron’ny fahaizany vao azo atao ny mamono ilay omby ka dia niandry fotoana lava. Nifamezivezy tao anatin’ny fotoana maro ity mividy sy ireo mpivarotra ary fantatry ny fiarah-monina ny fifaneraserany tamin’ireto telo lahy raha mpimasy ny iray izay milaza ho tompon’entana. Rehefa maty ity mpivarotra voafitaka dia tsy nananosarotra zandary ny fisamborana azy ireo . Niaiky ny heloka vitany ireo mpamitaka ary efa betsaka no vola nisolokiana olona mahakasika ny “mercure” izay tsy misy izany atreto. Efa any am-ponja izy ireo amin’izao fotoana izao raha ny nambaran’ny lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandary tamin’ny mpanao gazety ny 04 jolay 2017.
CATHY