Afak’omaly, mpandraharaha iray malaza tompona fiara fitaterana sady mpikirakira volabe ao Ambalavao notafihana jiolahy mitam-basy, tamin’ny lalam-pirenena fahafito iny, tao Androtsy Andonaka Distrikan’ Ambalavao. Na dia voatifitra teo amin’ny tanany ity mpandraharaha ity, dia tafatsoaka an’ireo dahalo mpanakan-dalana. Raha ny loharanom-baovao voaray amin’ny olona akaiky an’ity mpandraharaha ity, dia efa nahazo fandrahonana matetika izy tao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Raha tsiahivina, dia teo amin’ity toerana ity ihany koa no nitifiran’ny olona ka nahafatesana pretra iray, telo taona lasa. Raha ny fantatra mantsy, dia misy kidona (tetezana) kely ratsy izay io toerana fanafihan-jiolahy an-dalana ao Androtsy io, ka tsy maintsy mandeha miadana ny fiara rehetra rehefa mandalo eo. Ny mahagaga ny rehetra anefa, dia iray kilometatra miala ny toerana misy mpitandro filaminana io faritra fanafihan’ny mpandroba io, kanefa tsy mbola misy ny fepetra raisina hatramin’izao, hoy ny loharanom-baovao voaray hatrany.
Eric Manitrisa