- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana teny Sabotsy Namehana : Zandary iray, pôlisy iray ary miaramila roa...

Fanafihana teny Sabotsy Namehana : Zandary iray, pôlisy iray ary miaramila roa nadoboka am-ponja

Ireo sasantsany, voalaza fa natao hiaro ny vahoaka mihitsy ity no tena namohehatra. Zandary iray mitondra ny grady adjudant, pôlisy mitondra ny galonana « inspecteur », ary miaramila roa izay samy « sergent chef », ary samy miasa eny anivona andrim-panjakana iray avokoa, no indray nadoboka am-ponja omaly rehefa niakatra teny anivon’ny Fampanoavana Anosy. Izy efa-dahy ireto dia voarohirohy tamina resaka fanafihana, izay nitranga teny Sabotsy Namehana. Raha ny zava-nitranga dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny amin’iny faritra iny, ny tapatapaky ny volana jona lasa teo. Mpivarotra iray no lasibatra tamin’izany. Nofatoran’izy ireo ny mpiambina ary lasan’izy ireo ny entana maro isan-karazany niaraka tamina môtô iray. Taorian’ny fanafihana dia nanapa-kevitra ny haka alika mpitsongo-dia avy hatrany ny tompon’ilay fivarotana. Teny an-dalana haka izany teny Ivato anefa, no nifanena tamina olona nanosika môtô feno entana ireo zandary sy ny tompon-trano. Nilaza avy hatrany ity farany fa iny ilay môtô very. Niroso tamin’ny fisamborana ireo telolahy nitondra ilay môtô ireo zandary saingy nitsoaka avy hatrany izy ireo. Voatery nanapoaka basy mihitsy moa ireo farany saingy nanohy ny fitsoahany ihany ny roa raha nibaboka kosa ny iray. Tamin’izay no fantatra fa miaramila ity farany. Nentina nanaovana fanadihadiana ity voasambotra ity ka tamin’izany no nanondroany ireo namany, izay samy mpitandro filaminana avokoa. Ary voamarina tao anatin’ny findain’ity farany avokoa moa izany. Sendran’ny tsy nampoizina anefa ireo mpanao fanadihadiana ary dia tafaporitsaka indray ity miaramila ity. Ary tsy hita tany nanjavonana hatreto. Efa mandeha ny fikarohana azy. Nitohy kosa tetsy andanin’izay ny fanadihadiana nataon’ireo olona voalaza ho namany, izay nahitàna an’ireto mpitandro filaminana efa-dahy ireto. Nisy ihany koa sivily efatra, izay tsy iza fa ireo mpiambina an’ilay tranombarotra ihany niaraka tamina tovovavy iray, voarohirohy tamin’ity resaka ity ary niaraka nentina teny anivon’ny Fampanoavana omaly. Ireto farany izay nahazo fahafahana vonjimaika araka ny fantatra hatrany.

m.L

Filet ouvert

Tsy nanaiky ny hampidirana azy am-ponja ireo miaramila

Nitrangana korontana tsy dia fahita firy teny amin’ny Fitsaràna Anosy omaly. Araka ny loharanom-baovao azo dia tsy nanaiky ny hampidirana azy am-ponja ny naman’ireo miaramila izay voarohirohy tamina resaka fanafihana. Niakatra avy hatrany mantsy ny feo taorian’ny fanapahan-kevitry ny mpitsara, tamin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika an’ireto mpitandro filaminana efa-dahy ireto. Ireo naman’ilay miaramila roalahy voarohirohy no tena nitarika ny korontana teny an-toerana araka ny loharanom-baovao. Efa saika ratsy ny toe-draharaha raha tsy niditra an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro filaminana teo anivon’ny Emmo. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta ka nalaky nilamina ihany ny raharaha. Tontosa ihany ny fitondrana ireto miaramila roa, zandary iray, ary pôlisy iray, izay samy nahazo MD ireto, teny amin’ny fonjan’Antanimora araka izany.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici