Raha nihorohoro fatratra ny mponina ambanivolo manodidina ny tananan’Ambatondrazaka teo aloha teo dia nanao ezaka ny teny anivon’ny kaompanian ‘ny zandarimarian’Ambatondrazaka ka tambazotrana jiolahy mitam-piadiana no sarona sy rava , taorian’ny fanafihan’izy ireo ny ben’ny tanàna’ny kaominina ambanivohitra Ambohiborimanga iray volana lasa izay . 7 mirahalahy ireto jiolahy ireto miaraka amin’ny saron-tava mainty, ary manakana ny fiara tonga amin’ny alina amin’ny RN 44 sy ny Tanàna manodidina izay mitondra fitaovam-piadiana mahery vaika .Mbola tratra tamin’izy ireo ny vanja fanamboarana bala sy fitaovampiadiana fa mbola karohina ny fitaovana hafa. Niaiky izy ireo taorian’ny fanadihadiana teny anivon’ny zandary amin’ny asa ratsy ataony ary efa natolotra ny fitsarana. Manao antso amin’ny rehetra ny mpitandro ny filaminana avy eny anivon’ny kaompanian’Ambatondrazaka fa raha nihorohoro ny mponina teo aloha noho ny tsy fisian’ny tsy fandriampahalemana dia efa mandry fahalemana ny 90% ny distrika 3 amin’izao fotoana izao ary manao antso amin’ny vahoaka ny zandary ny hifanome tànana amin’izy ireo amin’ny famongorana ny tontakely
Janus R