- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-Divers« Otra maina » ataon’ny mpitandro filaminana : Roa hetsy ariary no...

« Otra maina » ataon’ny mpitandro filaminana : Roa hetsy ariary no takian’ny sasany amin’ireo mpitondra môtô

« Tsy rariny loatra ! Nosakanan’ny mpitandro filaminana aho teo Anosizato. Vao tafajanona dia ny lakilen’ilay môtô avy hatrany no nesoriny teo amin’ny fitoerany, izay izy vao nitaky ireo antontan-taratasy. Ara-dalàna avokoa anefa ny momba izany ary nolazainy fa tsy izy ary sandoka ilay faktiora, nampiasaiko efa nandritra ny 4 taona. Mitaky vola roa hetsy ariary izy, ho tambin’izay raha tsy izany dia tsy avelany mandeha aho», hoy ny fitarainan’ity mpitondra môtô iray. Iray amin’ireo tranga marobe efa mampitaraina fatratra ireo mpitondra kodiaran-droa ity « otra maina » ataon’ireo mpitandro filaminana miandraikitra ny fifamoivoizana eny an-dalana ity. Mameno ny tambajotra sosialy, izay hany sehatra hanehoan’izy ireo ny alahelony, ny fimenomenomana isan-karazany. Mazàna, hoy ny sasany, dia ireny mpitandro filaminana mitondra galona tsipika iray na tsipika roa ireny no tena tsy mamela mahazo fa tsy maintsy mahita filam-baniny hitadiavam-bola ary rehefa tsy manome dia tonga hatrany amin’ny fandrahonana amin’ny fanagiazana ny môtô, na ny hoe figadrana. Ny sasany indray dia mitsotra ny marina fa mila « regime ». Ekena fa ilaina ny fisavàna tampotampoka eny an-dalana manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahelamana amin’izao fotoana izao : ny jiolahy  mitsoaka amin’ny kodiaran-droa sy ny halatra isan-karazany. Kanefa dia mazàna izany tranga izany no hanararaotan’ireo sasantsany, hanaovana « otra maina » tsotra izao ireo mpitondra môtô. Amin’izao fotoana izao tokoa dia misy ny ezaka ataon’ireo tompon’andraikitra ambony, na avy amin’ny zandarimariam-pirenena io na avy amin’ny pôlisim-pirenena, ny amin’ny fanafoanana ny kolikoly amin’ireny mpitandro filaminana miandraikitra ny fifamoivoizana ireny. Izy ireo dia miantso ireo mpampiasa lalana mba hiaraka hientana amin’izay lafiny izay. Fa « matoa io kolikoly sy fanomezana « regime » io tsy foana dia mbola misy ireo manome ary mahazo foana ireo mpangataka. Fa rehefa ny rehetra no manara-dalàna, midrikina tsy manome ary manefa izay saziny araka ny tokony ho izy, ho foana ho azy io zavatra io», hoy ny tompon’andraikitra ambony iray nitafa taminay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici