Tsy vitsy tokoa ny efa mitaraina fatratra ny amin’ny firongatry ny asan-jiolahy eny amin’iny faritra Ambatomaro sy ny manodidina iny. Amin’izao dia fantatra indray fa misy andian’olona mirongo sabatra, manakana ireo fiara sendra mandalo alina eny amin’iny lalan’i Bibilava iny. Zara raha misy jiro eny amin’iny faritra iny ary zara ihany koa raha misy mpandeha. Hany ka tsy misy afa-maina ireo fiara sendra taraiky ka mamakivaky amin’iny lalana iny. Araka ny nambaran’ireo efa lasibatra tamin’izany dia andiany maromaro izy ireo. Ka eo amin’ny telo eo no mijoro eo am-povoan’arabe ary ny hafa eny amin’ny sisin-dalana miezaka mitoraka sy mampijanona ilay fiara. Raha sendra ny tampoka ilay mpamily ka mijanona tampoka dia mirohotra avy hatrany izy ireo mamaky fitaratra sy mandroba ny fiara, hoy hatrany ny fitantaran’ireo efa sendra an’ireto andian’olona ireto. Tsy resaka fanakanan-dalana ihany anefa fa manjaka tanteraka ihany koa amin’izao ny vaky trano sy ny fanendahana eny amin’iny faritra iny, araka ny fitarainan’ireo efa voa hatrany. Saika isan’andro dia ahenoana olona miantso vonjy foana na mitsoaka kiririoka. Misy aza trano efa intelo vaky teny an-toerana, kanefa hatreto dia tsy mbola nisy tratra ireo olon-dratsy. Araka izany dia manentana ireo mpitandro filaminana tompon’andraikitra amin’iny faritra iny ireo mponina fa tena miaina tanteraka anaty horohoro.
m.L