- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Varika : Ankizikely roa maty, 17 hafa marary mafy vokatry...

Nosy Varika : Ankizikely roa maty, 17 hafa marary mafy vokatry ny fihinanana trondro misy poizina

Vokatry ny fihinanana trondro vaventy antsoina hoe :  sifaka, dia ankizikely roa 3 taona sy 9 taona no maty, ary olona 17 hafa marary mafy, tany Nosy Varika. Ny faramparan’ny herinandro teo no nitranga ity fahapoizinana ara-tsakafo ity, ary mbola misy amin’ireo marary no manaraka fitsaboana any amin’ny tobim-pahasalamana, tsaboina maimaim-poana, ary tsy misy atahorana intsony ny ain’izy ireo, raha ny nambaran’ny mpitsabo any an-toerana.  Raha ny tati-baovao azo dia tsy azo hanina ity karazana trondro iray ity, kanefa noho ny fahasahiranana misy dia mbola nandrahoin’ ny olona ihany ka nohaniny, ka ireo zaza tsy manan-tsiny mety tsy nahazaka ny poizina tamin’ireo hazan-drano no namoy ny ainy. Ankoatra izay, dia tovolahy iray nilomano no tsy hita popoka natelin’ny rano, afak’omaly, ary mbola karohina hatramin’izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici