- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Mpitandro filaminana namelaka tehamaina olona, raikitra ny sakoroka

Ambatondrazaka : Mpitandro filaminana namelaka tehamaina olona, raikitra ny sakoroka

Saika nahitana fifandonana mahery vaika teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo vahoaka vory  tetsy Avaradrova Ambatondrazaka ny harivan’ny faha 03  jolay 2017 tokony tamin’ny 5ora latsaka. Mpitandro ny filaminana manao ny fitandrona ny filaminana eny amin’ny lalana no nanakana mpitondra môtô iray tsy nanao aro-loha (casque),tsy nijanona itsy farany  fa avy hatrany dia nirihotra, ka nandeha lavi-davitra izy vao nisy niteny hoe » miverena fa voasakana ianao teo » , ary dia  niverina ilay tovolahy ka nijanona teo afovoan’ny arabe , akaikin’ny mpitandro ny filaminana, nitaky ny antontan-taratasin’ny môtô ireo mpitandro ny filaminana hoy ny fanazavana  anefa tsy namoaka ity tovolahy ity ,raikitra ny fifamaliana ka voalaza  fa voatefaky ny mpitandro ny filaminana ilay tovolahy. Izay fihetsika rehetra teo izay no nahavory ireo vahoaka nanatrika ka saika nahatonga ny halahelon’izy ireo teo amin’ireo mpitandro ny filaminana nanao ny asa fitandroana ny filaminana raha tsy nalaky tonga ny mpitandro ny filaminana naman’iretsy farany nanampy azy ireo . Nentina teny amin’ny biraon’ny zandary ilay tovolahy sy ny môtô , izay voalaza fa vokatry ny olana nanaovana fanadihadiana. Nanambara ny lehiben’ny  kaompanian’Ambatondrazaka  raha nihaona tamin’ny mpanao gazety fa mirongatra ny tsy fanajana ny lalànan’ny fifamoivoizana eto Ambatondrazaka  satria nahatratra 5 izao ny olona matin’ny moto tamin’ity taona 2017 ity  nohon’ny tsy fanaovana aro-loha sy ny tsy fanajana ny  lalàn’ny fifamoivoizana  ka tsimaintsy mandray fepetra izy ireo na eny ambanivohitra izany na eny andrenivohitra ,izay nambara ihany fa natao ho an’ny rehetra ny lalàna ary tsimaintsy hampiarina  raha misy mandika  izany .Saika nahitana fanaovana aro-loha avokoa ireo mpitondra moto teto amin’ny renivohitr’Ambatondrazaka  ny ampitson’io ary samy mitandrina

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici