- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversBesarety : Quincaillerie voatafiky ny jiolahy misaron-tava

Besarety : Quincaillerie voatafiky ny jiolahy misaron-tava

Lasa ny vola mitentina telo tapitrisa ariary. Nisy ihany koa ny voadaroka tao nandritra ny fanafihana. Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany ny harivan’ny alakamisy teo, raha efa niomana ny hanidy trano ilay toeram-pivarotana kojakoja sy piesy ho an’ny fiarakodia no nigadona tampoka ireo olon-dratsy. Miisa enina izy ireo raha araka ny vaovao azo ka ny telo no niditra nivantana nanao ny fandrobana. Mitazona basy iray ary antsy kosa ny ambiny. Tsy vitan’ny lasa ny vola fa mbola nobatain’ireo koa izay kojakoja sendra ny masony tao amin’ilay toeram-pivarotana. Tsy dia mpihidy hariva loatra ity toeram-pivarotana ity saingy tamin’io izy, vao mba hany taraiky kely, satria nisy olona nandrasana, dia jiolahy no nigadona. Toa fanafihana efa nomanina mialoha raha araka ny fijerin’ny mpitandro ny filaminana azy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici