- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversVohémar : Mpibizina lavanila tra-tehaka namaky trano, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Vohémar : Mpibizina lavanila tra-tehaka namaky trano, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy ankehitriny. Tovolahy iray mpibizina lavanila tra-tehaka namaky trano, ny alin’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 11 ora, no niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Ambodilalona, Kaominina Antsirabe Nord, any amin’ny Distrikan’i Vohémar. Raha ny fantatra, dia nividy lavanila tao amin’ity tokantrano notafihany izy, ny antoandron’io. Rehefa alina ny andro dia niverenany ny lavanila sisa izay tsy voavidiny vola, ary mbola nalainy koa ny vola 2 tapitrisa Ariary. Vao lasa kely ity mpandroba, dia niantso vonjy avy hatrany ny tompontrano, ka io no nanaitra ny fokonolona teo an-tanàna, ary raikitra avy hatrany ny savahao. Tratra niafina tao anaty lobolobo ilay mpangalatra ka niharan’ny fitsaram-bahoaka. Raha tsy ny tompontrano norobainy no niangavy mafy ny fokonolona mba tsy hanaperana ny ainy, dia efa saika matin’ny hatezeram-bahoaka ity jiolahy, ary vokatry ny daroka sy vono nihatra taminy dia tapaka mihitsy ny tongony havanana, ka tsy maintsy naiditra hopitaly izy. Efa notazomina atao fanadihadiana ao amin’ny biraon’ny Zandary ao Ampanefena ity jiolahy, hoy ny vaovao voaray avy any an-toerana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici