- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Nanala azy vita BEPC, tovolahy iray voatsindrona antsy teo amin’ny...

Toliara : Nanala azy vita BEPC, tovolahy iray voatsindrona antsy teo amin’ny tendany

Andian-tanora mpianatra maromaro avy niatrika ny famaranana ny fanadinana BEPC no indray niara-nanala azy tany Toliara, afak’omaly alina. Rehefa niakatra ny onjan’ny toaka, dia raikitra ny fifandirana teo amin’ny tovolahy roa noho ny resaka sipa sy vola telo arivo ariary. Tsy nahatanty taim-bava nirarakopana ny iray ka niakatra afo, ary namoaka ny antsy tany aminy ary tsy nisalasala akory nanindrona izany tamin’ ilay nifamaly taminy. Voa teo amin’ny tendany ity farany, izay tovolahy 16 taona ka naratra mafy niboba rà, ary mbola miady amin’ny fahafatesana hatramin’izao. Karohina kosa ilay nahavanon-doza nitsoaka, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici