- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversZandarimariam-pirenena : Matotra ny fiaraha-miasa amin’ny Chine sy ny Pnud

Zandarimariam-pirenena : Matotra ny fiaraha-miasa amin’ny Chine sy ny Pnud

Ny alakamisy sy zoma lasa teo dia vahiny manan-kaja roa be izao no indray nanatanteraka fitsidiham-piaraha-miasa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimarim-pirenena, ny Jly Randriamahavalisoa Girard, teny amin’ny birao fiasàny teny Betongolo. Ny voalohany dia ny masoivohon’i Chine miasa sy monina eto amintsika, Rtoa Yang Xiaorong. Nivoitra tamin’izany ny fanamasinana sy fanatsaràna ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenana roa tonta amin’ny lafiny fandriampahalemana. Tsy nohadinoin-dRamatoa masoivohon’i Chine ihany koa anefa ny nisaotra ny zandarimariam-pirenena tamin’ny fahombiazan’ny fanadihadiana ka nahatratrarana ireo olon-dratsy namono nahafaty sinoa mpivady teny Ivato. Ny ampitson’io, ireo solontena maharitry ny Pnud izay notarihin-dRamatoa Stephanie Delgado Martin, « Chargée du volet réforme du Secteur de Securité » no tonga nitsidika ny Jly Randriamahavalisoa Girard. Fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fanadihadiana izay ataon’ny « PNUD » hananganany tetikasa sy teti-bola hamatsiana ny fanatsarana ny sehatry ny fandriampahalemana eto Madagasikara no niompanan’ny dinika. Nanambara ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny Zandarimaria fa efa misy ny ezaka fanadiovana  anatiny ataon’ny  teo anivon’ny zandarimaria manokana. Nampitainy tamin’ireto iraky ny Pnud ireto ny olana ara-pitaovana sy tsy fahampian’ny isan’ny  zandary miasa miandraikitra ny fandriampahalemana. Nanambara ny fahavononany hanampy ny solontenan’ny Pnud ary vonona hatrany hanohy sy hanamafy ny fiaraha-miasa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici