- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversBelo-Tsiribihina : Mpiasan’ny paositra voatafika, vola 4 sakaosy lasa

Belo-Tsiribihina : Mpiasan’ny paositra voatafika, vola 4 sakaosy lasa

Nitrangana fanafihana nitam-basy indray tany Belo-Tsiribihina, ny mangiran-dratsin’ny alakamisy teo, ka tokantranona mpiasan’ny paositra no lasibatra, ary lasan’ny andian-jiolahy am-polony nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy sy zava-maranitra tamin’izany ny vola efatra sakaosy. Mbola tao anatin’ny torimasony tanteraka ny mponina teo amin’ny manodidina, ka nopoirin’ireo malaso avy any ivelany ny varavaramben’ny trano. Rehefa tafiditra tao an-trano izy ireo, dia vavam-basy avy hatrany no niatrana teo an-tampon-dohan’ ilay raim-pianakaviana tompon-trano niaraka tamin’ny vady aman-janany, izay mbola teo am-pandriana taitra tamin’ny torimasony. Noho ny tahotra tsy nisy sahy nanohitra na niantso vonjy ny iray trano. Noteren’ ireo mpandroba avy hatrany ity rangahy mpiasan’ny paositra hanoro ny toerana misy ny vata fitoeram-bola. Rehefa azon’ireo jiolahy ny remby notadiaviny dia lasa nitsoaka izy ireo, ka mbola karohin’ny mpitandro filaminana fatratra hatramin’izao. Fanafihana efa maty paika sy tsara lamina no niseho, ary efa fantatr’ireo olon-dratsy ny fisian’ny volabe tao amin’ity raim-pianakaviana voatafika ity, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny raharaha.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici