Miitatra ihany ny lonilony eo amin’ny zandary sy polisy eto Toamasina I. Ny alakamisy alina teo mantsy dia polisy mpiambina olom-panjakana iray namonjy fodiana tany Andranomadio misy ny tranony no niharan’ny antsonjay sy ny daroky ny zandary mpitondra ny fiara tsy mataho-dalan’ny Emmo-Sécurité eto Toamasina. Araka ny fanazava marim-pototra tamin’ity polisy voadaroka sy ny mpampiasa azy eo anivon’ny Faritra Atsinanana dia fanaon’ity polisy ity no tara sy alim-podiana noho izy mpiambina olom-panjakana io. Noho ny fanakanan’ny zandary azy izao dia namoaka ny karatra amin’ny polisy azy sy amin’ny maha-mpiambina olom-panjakana ny tenany; tsy vitan’izany anefa fa nahazo azy avokoa na ny ompa na ny daroka, izay mbola nasain’ireto zandary niankohoka tamin’ny tany izy ary ireto zandary ihany no nisava ny moto scooter nentiny. Hita tao anatin’ity moto ny basy fitondrany ho fiarovany ny olom-panjakana ataony izay zony ihany koa noho io asany io. Ho an’ny tale provinsialin’ny polisy dia filambaniny ny zava-misy satria tsy misy tsy mahalala fa mpiambina olom-panjakana eo amin’ny Faritra Atsinanana ity polisy ity. Ho an’ny teo anivon’ny Faritra Atsinanana mampiasa azy kosa dia resaka lonilony andavanandro ny zava-misy satria polisy fanta-bahoaka raha ity mpiambina miasa eo anivon’ny Faritra ity. Tsy nahazoana vaovao kosa ny teo anivon’ny zandary mikasika ity raharaha ity. Ankoatra izay araka ny angom-baovao hatrany dia nangata-panazavana tamin’ny lehiben’ny zandary teto Toamasina ny teo anivon’ny Faritra Atsinanana; nefa tsy nahazoana vaovao ny resaka nifanaovan’izy ireo. Hampangotraka ny olana efa misy eo amin’ny polisy sy ny zandary ity zava-nitranga tao Andranomadio Toamasina ity, izay tsy sambany nitranga teo amin’ireto samy mpitandro ny filaminana ireto…
Malala Didier