- Publicité -
mercredi, novembre 5, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimahasoa : Valo mianaka indray niara-maty novonoin’ny dahalo tao

Ambohimahasoa : Valo mianaka indray niara-maty novonoin’ny dahalo tao

Saika isan’andro dia andrenesana asan-dahalo arahina vono olona foana amin’ny faritra maro eto amintsika. Nandritra ny fanafihan-dahalo nahery vaika nitranga tao amin’ny fokontany Fiadanana, kaominina Ambalasoa, any amin’ny distrikan’ Ambohimahasoa, afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany, dia olona valo mianaka no indray namoy ny ainy maty novonoin’ny dahalo. Raha ny tati-baovao voaray dia nodoran’ireo malaso tsy mataho-tody ny trano fonenan’ireto olona tsy manan-tsiny, ka sempotry ny afo tao ireo fianakaviana ireto, ary anisan’ny namoy ny ainy tamin’izany ny zazavavy kely iray vao avy natao kaominio, tamin’io andron’ny alahady io.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici