- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMananara avaratra : Mpilalao baolina kitra maty tampoka teo ambony kianja

Mananara avaratra : Mpilalao baolina kitra maty tampoka teo ambony kianja

Fanaon’ny mponina ao Mananara Avaratra ny mifanandrina amin’ny baolina kitra isam-pokontany rehefa mifarana ny herinandro. Misy hatrany ny amboara hiadiana mandritra izany, ka mazana resaka omby no lokan’izay mivoaka mpandresy amin’ny lalao atao. Ny sabotsy teo dia nisy ny lalao baolina kitra tao amin’ny kianja monisipalin’ny Mananara Avaratra; vao nanomboka tsy nisy folo minitra anefa ny lalao dia loza no niseho satria nitambotsotra tampoka teo ambony kianja ity lehilahy iray eo amin’ny 40 taona. Raha ny fanazavana avy any an-toerana dia teo am-pitondrana baolina mamitapitaka ny mpifanandrina izy no izao nitambotsotra tampoka izao. Nanao ny ezaka rehetra ny mpitsabo manara-maso ireo mpilalao, saingy tsy tana intsony ny ainy koa nambaran’ny mpitsabo nizaha azy fa fijanonana tampoka ny fony no niteraka izao fahafatesany izao; mangana raha teo ny vatany sy ny lohany taoriana kelin’izao fahafatesany izao, izay nanamarina ny filazan’ny mpitsabo ny nanjo azy. Tsy nofaranana ihany ny lalao natao ny sabotsy io, saingy efa tsy nisy ambiansy intsony izany araka ny fanazavan’ireo mpitia baolina kitra any Mananara Avaratra…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici