- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Raikitra ny sakoroka noho ny fanoloana Ben’ny tanàna

Soanierana Ivongo : Raikitra ny sakoroka noho ny fanoloana Ben’ny tanàna

Raikitra indray ny sakoroka tao amin’ny kaominin’Ambahoabe distrikan’i Soanierana Ivongo, ny alin’ny alatsinainy nifoha ny talata teo, izany dia vokatry ny dia nataon’ny prefen’i Fenoarivo atsinanana sy ity vadintany ary ireo ekipan’ny prefektiora, noho ny baiko azon’ireto farany amin’ny fanoloana ny ben’ny tanana lanim-bahoaka Atoa Mananjara Fidison na “Rasomotra”, izay hasolo an’Atoa Regis kandidà ben’ny tanana tsy miankina, saingy miara-dia amin’ny Hvm izao.

Tora-bato variraraka. Tokony tamin’ny 5ora hariva no tonga tao amin’ny kaominin’Ambahoabe ny prefe sy ny ekipany, nitsena azy teo am-pidirana ny tanàna ny ben’ny tanàna Rasomotra sy ireo mpiara-miasa aminy. Vita izay dia nody izy, nefa raha nahare ny vahoaka fa tonga hanolo ny ben’ny tanana ireto ekipa notarihan’ny prefen’i Fenoarivo atsinanana ireto omaly talata, dia raikitra ny tora-bato variraraka, naratra mafy tamin’izany olona roa niara-dia tamin’ny prefe koa isan’izany ny Me Karabo Albert. Vokatr’izany, dia voatery niala tao amin’ny kaominin’Ambahoabe izy ireo nitondra ireto roa naratra mafy tokony ho tamin’ny 9ora alina nihazo an’i Soanierana Ivongo.

Salan’isa 38,18%. Efa telo taona lasa no nisy ny olana teo amin’ireo kandidà ireto tamin’izay, nandritra ny fifidianana anefa dia nandresy mazava tamin’ny salan’isa 38,18% Atoa Rasomotra, raha tsy nahazo afa-tsy 29,03% i Regis mpifaninana taminy. Taty aoriana anefa, dia nandresy tampoka teny anivon’ny fitsarana amin’ny ady amin’ny fanjakana ny andaniny, izay nahatonga ny ankilany nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny filan-kevi-panjakana izay mbola tsy nisy valiny hatramin’izao. Io olana io no nahatonga ny sakoroka, satria niaro ny safidiny ny vahoaka ka manaiky ny hanovana ny ben’ny tanana lanin’izy ireo tamin’ny fifidianana ara-demokratika.

Efa eny amin’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha ankehitriny, saingy efa nilaza ireo vahoaka ao amin’ny kaominin’Ambahoabe, fa tsy hanaiky hatramin’ny farany izy ireo na handefasana vondron-tafika amin’ny fanaporetana azy aza amin’ny fiarovany ny safidiny. Ny ben’ny tanana Mananjara Fidison na Rasomotra voafidy tamin’ny  fikambanana MMA ihany ny azy ireo…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici