- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Ramatoa bevohoka saika nodorana velona

Manakara : Ramatoa bevohoka saika nodorana velona

Raikitra ny savorovoro tao amin’ny Fokontany Mangarivotra tany Manakara omaly naraina. Ramatoa iray sahabo 30 taona eo, izay voalaza fa bevohoka dimy volana no tra-tehaka niaraka namaky trano tamin’ny vadiny, ka niharan’ny hatezeram-bahoaka. Tokantrano iray izay niasan’ity rangahy mpamaky trano ity taloha no norobain’ireto mpivady, omaly naraim-be tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany tany. Teo ampibatana ny fahitalavitra be lamosina ity ramatoa ity no traingon’ny tompon-trano ka noraisim-potsiny tsy afa-niala nitsoaka intsony, raha afa-nandositra kosa rangahy vadiny izay nifanenjehana eran’ny tanàna.

Rehefa voasambotra ity farany, dia mbola nanohitra sady avo vava (nilaza fa manana fanafody mahery hono), ka niakatr’afo ny ankamaroan’ny olona nanatrika teo, ary velona ny antsoantso hoe : « ataovy amin’ny fanaovana azy fa mandoto tanàna ! ». Raikitra ny vono ka rapa tarehy ireto mpivady voasambotra tra-tehaka namaky trano. Mafy loatra no daroka nihantra tamin-dramatoa vadiny, ka nifona mafy sady nitalaho niangavy tamin’ny fokonolona rangahy, mba tsy hamonoana am-badiny izay voalazany fa bevohoka dimy volana, satria tamin’io fotoana io dia efa nisy andiana tanora nanomboka maimbo rà nilaza fa “ndao dorana velona”, kanefa niangavy mafy ny tsy hamonoana an’ireto mpivady mpamaky trano voasambotra amin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka ny tompom-trano voaroba, hoy ny tatibaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici