- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbondrona : Mpividy volamena voatafika tao an-tranony

Ambondrona : Mpividy volamena voatafika tao an-tranony

Voavely tamin’ny vy ny lohan’ilay rangahy raim-pianakaviana. Tsy namelàna raha tsy torana tsy nahatsiaro tena. Ramatoa kosa nofatorana ny tànana sy ny tongony mba tsy ho afa-mikofoka. Nosavaina ny  trano ary rehefa hita niafina tao koa ny mpanampy an-trano dia nafatotra torak’izany. Vita izay rehetra izay dia norahonana tamin’ny fitaovam-piadiana amin’izay ny iray trano mba hanoro izay misy ny vola. Tokantrano iray manamorona ny tohatoha-baton’Ambondrona no niharan’izany, ny alin’ny talata teo. Tsy tena alim-be akory fa tokony ho tamin’ny 11 ora teo no tonga ireo olon-dratsy. Nisy tamboho soa aman-tsara ilay trano saingy tsy nananosarotra ireo mpanafika ny nitsambikina izany noho ny haivany. Nopoirina ny trano ary vetivety foana dia tafatsofoka tao anatiny. Hitan’ilay raim-pianakaviana ny niavian’ireo mpanao ratsy ary efa mba nanaitra ny manodidina ihany izy tamin’ny alàlan’ny fitsofana kiririoka. Tsy mba nisy namaly izany antso vonjy izany fa toa maika aza ny olona nanidy indroa ny hidin-tranony. Voatery niady irery teo ilay lehilahy izay 54 taona. Sendra ny be noho ny vitsy ary tsy vitan’izany fa tsy nisalasala ny nampiasa hery ireo mpanafika. Novelesiny mafy ny lohany ary tsy namelàna raha tsy torana tanteraka. Vola mitentina 7.5 tapitrisa ariary no lasa nandritry ny fanafihana. Raha ny fanampim-baovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana dia mpividy volamena no asa andavan’andron’ilay raim-pianakaviana. Efa mety nisy naharaka izany ary nanomboka teo ny fanaraha-maso. Ny jiolahy mantsy dia matetika efa fantany hatramin’ny vola ao an-trano noho ny angom-baovao izay ataony, izay vao manafika. Nisy tokoa ny vola azo nandritry ny fanafihana, tamin’ity tranga ity. Toerana tsy dia noeritreretina loatra ny hisy fanafihana mitam-piadiana iny fidinana amin’ny tohatoha-bato iny satria feno trano manamorona ary misy olona mifamezivezy tsy an-kijanona koa, indrindra raha tsy dia alim-be tanteraka. Nefa dia nitranga ny fanafihana ary tsy nisy nanampy ny olona etsy andanin’izay.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici