- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversJeannot Ratsimbazafy : Hanamarika ny faha-45 taona nanaovany gazety

Jeannot Ratsimbazafy : Hanamarika ny faha-45 taona nanaovany gazety

Isan’ireo tranainy indrindra, ary akanga sisa nanamborana tamin’ireo iray dia taminy i Jeannot Ratsimbazafy, sady mpanao gazety ny lehilahy no mpanoratra ihany koa. Hanamarika ny faha-45 taona niasany teo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety, ary faha-55 taonany teo amina asa soratra i Jeannot Ratsimbazafy. Izany dia hotanterahina ao amin’ny tranoben’ny kolontsaina Antsirabe ny faha-5 Aogositra 2017 hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Araka ny safidiny dia hizara roa ny fandaharam-potoana ka ireo mpanao gazety rehetra eto Antsirabe no nasainy hanentana sy hanafana ny fotoana amin’ny tapany voalohany. Ny tapany faharoa kosa no hanehoany ny zava-bitany sy ireo asa sorany hiarahana amin’ireo mpanakanto mikalo sy mihira ny sangan’asany. Raha tsiahivina fohy dia tao amin’ny orinasa JIRAMA no nambarany fa niatombohany voalohany nanao ny asa fanaovan-gazety. Telo ihany ny gazety teto Madagasikara tamin’izany fotoana, hoy izy, ka ny JIRAMA no namokatra ny iray dia ny gazety Riandrano izay niasany ary tsy niala tao izy raha tsy efa nisotro ronono . Tsy nitsahatra teo anefa ny asa fanaovan-gazety fa mbola nanohy hatrany izy ka izy no fantatra fa mpanao gazety voalohany tao amin’ny Rta Antsirabe, izay Rtva tamin’izany fotoana. Ny taona 2004 kosa izy dia voaray ho masoivohon’ny “Les Nouvelles sy Taratra” ary amin’izao fotoana, na dia efa  nandray ny faha-80 taonany tamin’ny volana martsa teo aza,  dia mbola amperin’asa solontenan’ny gazety le Citoyen eto Antsirabe ihany.

Teo amin’ny lafiny asa soratra kosa, boky efatra no natonta, ny voalohany nampitondraina ny lohateny hoe “Fampitaha”, nanaraka ny “ Amboara Vokatry ny fo”, fahatelo “Talenta faharoa” ary havoaka amin’ity fanamarihana ity ny “Sodifanana”.

Andry N. 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici