- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Jiolahy niady vola nifamono, noraisim-potsiny

Soanierana Ivongo : Jiolahy niady vola nifamono, noraisim-potsiny

Ity no atao hoe nokibokiboin’ny marina ka teny imasom-bahoaka no niady vola, taorian’ny asan-jiolahy nataony ireto andian-jiolahy tao Soanierana Ivongo ireto. Ny 27 may teo nitranga ny raharaha ka taorian’ny fanafihana mitam-piadiana nataon’izy ireo ka nahazoan’izy ireo vola  roa tapitrisa ariary tamin’ity mpandraharaha iray notafihan’izy ireo, dia raikitra ny ady vola tamin’izy telo lahy, teny an-dàlana nandositra. Notsindronin’ny roa tamin’ny antsy ary navelin’izy ireo ho maty an-dalana teo ilay naman’izy ireo antsoina hoe Ngilo Be, taorian’izay. Tsy nipetraka mora anefa ny polisy tany an-toerana tarihin’ny kaomisera Tsima Angelo Felix, fa niezaka nikaroka ireto andian-jiolahy roa sady nanao fanafihana mitam-piadiana no mbola namono nahafaty ny namany ireto, ka ny 11 jolay teo nody ventiny ny rano natsakain’izy ireo, satria tratra noho ny vava tsy ambiny ny iray tamin’ireo andian-jiolahy tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antenina distrikan’i Soanierana Ivongo ihany. Tratra niaraka taminy koa ilay basy poleta fampiasan’izy ireo manao ny fanafihana, nandritra izany ; tsy nandà ny heloka vitany anefa ity jiolahy ity nandritra ny fakana am-bavany azy. Mitohy kosa hoy ny “officier” Tsima Angelo mihazona ny kaomisarian’i Soanierana Ivongo, fa mitohy ny fikarohana ny namany ; izay efa nambaran’ity namany efa tratra ny toerana misy ity namany…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici